France : Plogging, sady fanatanjahantena no fiarovana ny tontolo iainana
Ny plogging, antsoina ihany koa hoe « écojogging », dia sady fanatanjahantena no fiarovana ny tontolo iainana. Sady hazakazaka izy io no fandraofana fako izay nipoitra tao Suède tany amin’ny taona 2016 tany. Nihitatra manerana ny firenena maro kosa izany ny taona 2018 ary niroborobo fatratra manoloana ny fiparitahan’ny fako plastika.
Manana ny lazany io hetsika io ary fataon’ireo mponina ao Toulouse matetika. Misy ny fikmabanana Run Eco Team ao an-toerana izay efa misy mpikambana an’arivo misahana ny fikarakarana Plogging faobe. Mikarakara hetsika samihafa toy ny « raids canettes », « clean-up day » sns ihany koa izy ireo. Tsy ny vatana ihany no voadio amin’ny loto samihafa fa tontolo iainana ihany koa hoy i Philippe Ventura, mpanao io fanatanjahatena io efa ho enin-taona izao ary mpikambana ao amin’ny Run Eco Team.
