Ambohimangakely: Vola mitentina 20 tapitrisa ariary nangalirin’ny mpiasa iray tamin’ny mpampiasa azy
Trangam-piaraha-monina niseho teny amin’ny manodidina an’Ambohimangakely teny nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny paska teo, tokatrano iray teny an-toerana no niaran’ny fandrobana, izay nataon’ny mpiasa tao amin’ilay tokatrano. Vola mitentina 20 tapitrisa ariary no nangalarin’ny mpiasa vavy iray, nandritra izany, araka ny voalaza.
« Toy ny fanao mahazatra dia nandeha nitsangatsangana hankalaza ny paska ny tompon-trano ary napetraka tamin’ny toerana mahazatra ny fanalahidin’ny trano. Rehefa niverina anefa ny hariva ka ny ampitso talata rehefa haka ny vola tao amin’ny fitoerany, izay nokasaina hividianana fiara efa tsy tao intsony ny vola » hoy ny avy amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely.
« Rehefa nanantona ny zandarimaria Soamanandrariny ireo niharan’ny fangalarana dia niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Ka tamin ‘izany no nahatratrana fa ny vehivavy iray izay efa mpanampy an-trano tao ihany no nahavita ny fangalarana. Niaraka tamin’ny vadiny » hoy hatrany ny fanazavana.
Ny alarobia teo moa no tratra teny Analamahitsy ireto olon-dratsy ireto. Marihina moa fa ny 2 janoary no niala tamin’ny asa maha mpanampy azy ity vehivavy ity, ary izy sy ireo tompon-trano mivady ihany no mahafantatra ny fametraham-bola. Efa niverina amin’ireo niharany kosa ny ambim-bola tamin’ireo nangalarina, raha efa nividianan’ireo nanao ny fangalarana entana isan-karazany ny 3 tapitrisa mahery tamin’izany.
Manitra R.
