ActualitésTatitra

Brésil : Lalao malaza ao an-toerana ny « Foot à 5 »

Araka ny anarany dia lalao baolina kitra lalaovin’olona 5 misy mpilalao efatra sy mpiandry tsatokazo iray ny « Foot à 5 ». Tao Brésil tany amin’ny taona 1940 tany no nipoiran’io karazana lalao baolina kitra iray io niaraka tamin’ny «futsal ».

Manakaikikaiky ny haben’ny kianja filalaovana « handball » ny kianja hilalaovana ny « Foot à 5 », manodidina ny 35-45 metatra eo ny halavany ary 20-25 metatra eo ny sakany ary araky ny tokony ho izy dia bozaka « synthétique » no mandrakotra azy. Tsy mitaky fanazaran-tena betsaka kosa io lalao io ary miompana bebe kokoa amin’ny fialam-boly noho ny amin’ny fifaninanana.

Atao ao anatin’ny 2×25 minitra ny « Foot à 5 », baolina « taille 4 » no ampiasaina aminy, ny fahadisoana rehetra kosa dia « sanctionné » avy hatrany amin’ny alalan’ny « coup franc » miainga eo amin’ny toerana nanaovana ny hadisoana. Afaka mitsoaka « penalty » kosa nefa ny mpitsara raha enjana na niniana natao ilay fahadisoana. 6 metatra mial ny tsatokazo no handakana izany « penalty » izany.

Laisser un commentaire