Dépêches

Baolina kitra iraisam-pirenena: Nihemotra any amin’ny faha 110 ny toerana misy an’ny Madagasikara

Dépêche 07 avril, 14h, Nihemotra isa 8 be izao ny Barean’ny Madagasikara amin’ny laharana vaovao izay navoakan’ny FIFA. Faha 110 amin’ny firenena miisa 211 mikambana ao anatin’ity vondrona ity araka izany isika, nisy fihemorana niaraka tamin’izay ihany koa amin’ny fahadaharana afrikanina satria faha 25 isika amin’izao fotoana izao. Mba hanatsarana io filaharana io, tsy maintsy manana vokatra tsara i Madagasikara amin’ireo lalao roa farany hiadiana ho an’ny CAN 2024 na dia efa eo aza ny tsy fahafahana manatrika ny CAN intsony. Antony iray lehibe ihany koa ny tokony hahazoana toerana tsara ao anatin’ny filaharana afrikanina mba hahazoana manohy ny lalao rehetra eto Afrika. 

Laisser un commentaire