Fampianarana ambony : Nivaly ny fangatahana voalohany nataon’ny mpianatra
Dépêche 05 avril, 11h, Ny tena anton’ny fangatahan’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite tsirairay nandritra ireo fitokonana isan-karazany dia ny mahakasika ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny « équipements ». Rehefa hita fa manomboka mafana ny raharaha dia nikaroka vahaolana ny tompon’andraikitra isan-tokony. Hanomboka ny 17 aprily izao araka izany no hanombohana ny fizarana iany vatsim-pianarana izany. Sakana amin’ny fanafaingananana ny fandoavana io vatsim-pianarana io anefa ny fahataran’ireo lisitra avy amin’ireo Oniversite tsirairay. Izany indrindra no ilaina ny fiaraha-miasan’ny tsirairay na ireo tompon’andraikitra na ireo mpianatra.
