Myanmar : Tsy nanaiky ny hitifitra intsony ny tafika.
Nandà ny tsy hitifitra ny mpanao fihetsiketsehana izay manohitra ny fakàna fitondrana an-keriny nataon’i Tatmadaw ny tafika Birmane. Polisy avy any Birmanie tsy latsakin’ny 11 araka izany no nitsoaka nakany Inde niaraka tamin’ireo vady aman-janany. Efa mahatratra 80 ireo maty amin’izao fotoana izao. Nanongana ny fitondrana voafidy no anton’ny hetsika tany am-piandohana izay notarihan’i Aung San Suu Kii. Nanomboka ny 01 febroary lasa teo izany fitakiana nataon’ny vahoaka izany.
