La Réunion : Nisokatra omaly ilay lalam-baovao natokana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka
Nisokatra omaly 3 aprily ny lalam-baovao natokana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’i Sainte-Suzanne sy Sainte-Marie ao amin’ny nosy La Réunion. Manodidina ny 6,5km io VRTC (Voie Réservée aux Transports en Commun) io ary mahavita mampitohy an’ireo fiantsonana farany ireo ao anatin’ny 14 minitra monja eo.
Ny fiara fitateram-bahoakan’ny orinasa Citaliss kosa no hampiasa io, ireo fiara mpitondra mpianatra, ireo fiara karetsaka ary ireo Cars Jaunes. Afaka mifamezivzey amin’izany ihany koa ireo « tracteur » saingy amin’ny fotoan’ny « campagne sucrière » ao atsinanana ihany. Manodidina ny herintaona kosa no namolavolana io tetik’asa io izay mitentina 27 tapitrisa euros.
