Dépêches

Faritra Atsimo Atsinanana: Nahazo “vedette” haingam-pandeha

Dépêche 31 mars, 13h30, Nisitraka “vedette” haingam-pandeha avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga ny Faritra Atsimo Atsinanana. Ny tanjona goavana tamin’ny fanolorana izany dia ny hahafahana manara-maso amin’ny fotoana rehetra ny sisin-dranomasina sy ny fanjonoana tsy nahazoana alalana ary hanavotana ihany koa raha sendra ka misy ny loza. Tsara ny manamarika fa avy amin’ny tetik’asa Swiofish2 an’ny Ministera no nahafahana nahazo izany vedette izany.

Laisser un commentaire