Andron’ny Zandarimaria: Fotoana iray hahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa ny asan’izy ireo
Dépêche 30 mars, 13h, Ny 1 sy 2 aprily izao no hankalazana ny andron’ny Zandarimariam-pirenena izay hotanterahina eo anoloan’ny Kaominina Antsirabe. Fotoana irtay hahafahan’ny olom-pirenena rehetra mahalala bebe kokoa ny asan’izy ireo sy hahafahana mamantatra amin’ny antsipiriany izany asa izany. Hisy ihany koa ny ady hevitra izay milohahevitra hoe: “Zandarimaria manakaiky sy miaro ny vahoaka sy ny fananany” izay azon’ny rehetra hatrehana. Tsar any manamarika fa amin’izao fotoana izao dia io lohahevitra io no sata mitondra ny asan’izy ireo ka ilaina araka izany ny mahazo sy mahalala ny tena tokony ho dikan’izany teny izany.
