ActualitésTsidika

Fampiofanana : Ben’ny tanàna vehivavy miisa 61, nisitraka izany.

Ny Ben’ny tanàna no anisan’ny olom-boafidy manakaiky ny vahoaka voalohany. Nisy araka izany ny fanomezana fiofanana ho an’ireo Ben’ny tanàna vehivavy miisa 61 , avy amin’ny faritra 13 eto Madagasikara. Nanomboka ny 22 Martsa 2023  ny fiofanana ka mifanarana ny Zoma faha-24 Martsa 2023. Ny Ivon-toeram-pirenena momba ny    Fitsinjarampahefahana sy ny fampandrosoana Ifotony na ny « INDLL » no mikarakara izany fampiofanana izany, notanterahana tao amin’ny Cenacle Amparibe. « Miompana amin’ny fitantanana ny lafin-tany, ny fitantanana ny omby, ny teti-bola sy ny fitatanam-bolan’ny kaominina  ny fampiofanana. Mavitrika tanateraka ireo Ben’ny tanàna vehivavy mandritra ny fampiofanana azy ireo. Hita izany amin’ny fizaran’izy ireo ny traikefa iainan’izy ireo amin’ny kaominina misy azy sy ny firesahana ny olana mihitsy », hoy ny teo anivon’ny INDLL.

Manana tamberin’andraikitra  atao amin’ny vahoaka ny Ben’ny tanàna . Zava-dehibe araka izany izao fampiofanana izao mba hanamafy ny fahalalana efa hananan’izy ireo. Tsara ny fifampizarana  traikefa toy izao mba hanatsarana ny fomba fiasa. Ny hetsika toy izao no handrefesana hoe aiza ho aiza ny fivoarana ao anatin’ny kaominina iray. Marihina moa fa tapany voalohany ity tanterahana ity, izay ,nampivondronana  ireo Ben’ny tanàna ao anatin’ny Faritra Avaratra , Andrefana , ny afovoan-tany sy ny manodidina.Mbola misy ny tapany faharoa izay hatao any amin’ny Faritra Ihorombe, Ihosy afaka volana vitsivitsy. Tokony handray anjara mavitika amin’ity fampiofanana ity avokoa ireo Ben’ny tanàna mba hitondra fivoarana ho an’ny Kaominina sahininy.

Erwan RAN

Laisser un commentaire