Sabotsy Namehana : Efa mandray ny mpanjifa ny masoivohon’ny Jirama
Nisokatra nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny masoivohon’ny Jirama, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Afaka mandray ireo mpanjifa ary mamaly mivantana ireo fangatahana mahakasika ireo asa sy tolotra omen’ny orinasa ity masoivoho ity, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny orinasa jirama dia miezaka manantona ny mpanjika hatrany ny orinasa ary miezaka manakaiky, manala ny fahasahiran’ny ny mponina. Izay no antom-pisianan’ny toerana vaovao ety an-toerana izao » hoy ny avy ao amin’ny orinasa jirama.
« Efa ela no niandrasana izao fisokafan’ny masoivoho jirama izao ny mponina. Ho tsotra manomboka izao ny fikarakarana taratasy na ny fandoavana faktiora raha nanano sarotra teo aloha ny fanatanterahana izany. Hisaorana ny tomponandraikitra » hoy i Solo, mponina ao Sabotsy Namehana.
Tahaka ireo masoivohon’ny jirama rehetra moa dia afaka mamaly ny filàn’ny mpanjifa mahakasika ny asa sahanin’ny orinasa jirama ny fisian’ity masoivoho ity. Nanontrona izany fanokafana izany moa ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana.
Manitra R.
