ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ho raràna ny famarotana sigara amin’ny tanora teraka taorian’ny 1 Janoary 2007

Manodidina ny 480 000 isa ny mponin’i Amérique maty noho ny fifohana sigara isan-taona. Manoloana izany dia nanolotra volavolan-dalàna ny mpikamban’ny parlemanta tao an-toerana, Damon Connolly tamin’ny volana novambra 2022 izay nangataka ny fandraràna ny famarotana sigara amin’ireo tanora teraka taorian’ny 1 Janoary 2007 ao Californie.

Voarakitra ao anatin’ny lahatsoratra fa ho saziana ireo mpivarotra tsy manaja izany fitsipika izany. Ho dinihan’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny andro maromaro ho avy izao kosa io volavolan-dalàna io izay nalaina tahaka tamin’i Nouvelle Zélande. Marihana mantsy fa efa nanomboka ny taona lasa teo dia voarara ny famarotana « tabac » amin’ireo tanora teraka taorian’ny 1 Janoary 2009 ao an-toerana.

Tsy natao hanitsakitsahana ny zo amin’izao fotoana fa entina hamoronana taranaka tsy miankin-doha amin’ny « nicotine » kosa io fanapahan-kevitra io raha ny teny nentin’i Damon Connolly.

Laisser un commentaire