ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Tonga maro ireo olona naka « Afo tsy maty »

Omaly hariva no nanatontosana ny fizarana ny afo tsy maty ho fankalazana ny taom-baovao malagasy 2023. Teny amin’ny toerana malalaka fiantsonan’ny zotra 192 no nanatanterahan’ireo mpikarakara ny fizarana izany ho an’ny vahoaka an’Ambohimanambola sy ny manodidina. Tonga maro ireo olona teny an-toerana nandritra izany.

« Ao anatin’ny fankalazana tanteraka ny taom-baovao malagasy dia fomba iray ny fizarana ny afo tsy maty. Ny afo teo amin’ny malagasy izay midika fanadiovana, fanazavana, famelona ary indrindra endrik’Andrimanitra ny afo. Ary izany entina mandroaka ny ratsy mialohan’ny hitsenana ny taona vaovao » hoy ireo mpahay fomba malagasy.

« Zava-dehibe ny fiarahana mankalaza tahaka izao. Io ny antsika malagasy ka tokony hajaina sy omena lanja ary indrindra raha miombona amin’ny fankalazana isika dia hiverina indray ny firaisan-kina, antoky ny fampandrosoana » hoy i Laza, mponina ao Ambohimanambola.

Anisan’ny efa manintona sy mahaliana ny malagasy ankehitriny ny fankalazana sy fanarahana ny fomba malagasy. Ny firenena mahalala sy manaraka ny fombany tokoa dia firenena manana ny maha izy, mandroso. Koa tsy aleo ve toavina ihany koa ny antsika? Omena lanja, satria ny an’ny hafa tsy omeny.

Manitra R.

Laisser un commentaire