ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny faritry ny by-pass (voasary) Ambohimangakely, ny talata alina teo tokony tamin’ny 08ora sy 20minitra. Lehilahy iray no namoy ny ainy vokatry ny dona nahazo azy nandritra izany ary nitsoaka nandositra ny fiara nahavanona ny loza, araka ny voalaza.

« Raha ny zava-nisy teto aloha dia tsy fantatra hatreto ny nahavanona ny loza fa olona efa tsy nisy aina no hitan’ny manodidina teto. Ny fotoana nisehoan’ny loza ihany koa efa alin-dalina ihany ; ka manaitra ny tomponandraikitra hanokatra ny fanadihadiana mahakasika izao tranga nisy izao » hoy i Roger, mponina teo amin’ny manodidina.

« Mampalahelo ny tranga toa izao. Ary hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra mba handray fepetra entitra mahakasika ny nahavanona ny loza. Lasa matimaty foana ny tsy manan-tsiny amin’izao fotoana izao » hoy i Fetra, mponina ao Ambohimangakely.

Maro ny loza niseho tato ho aty ary saika namoizana ain’olona avokoa. Fotoana mila fahamailona sy fitandremana izao. Etsy ankilany izany, ilaina ny fanentanana avy amin’ny mpitandro filaminana, indrindra ny fanatanterahana ny fitsirihana amin’ny alina mba ny hijerena ny tranga toa izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire