ActualitésTsidika

Rugby: Hiaro ny toerana hiatrehana ny « Trophée mondiale des jeunes » ny Makis U20

Hiaro ny toeran’izy ireo ny Makis Juniors na ireo mpilalao latsaky ny 20 taona hahafahana miatrika ny Trophée Mondiale des Jeunes na ny World trophy junior (WTJ). Hanainga ho any Kenya izy ireo araka izany ny 20 aprily 2023 ho avy izao.

“Ny avy ao Tunisie no hafanandrina amin’ny Makis voalohany indrindra mandritrta ny ampahefadalana ary ny Zimbabwe ksoa amin’ny lalao manasa-dalana na ny Sénégal raha maharesy an’ny Tunisie. Miisa 8 ireo firenena afrikanina haitrika izany ary mizara ho vondrona roa ka lalao telo avokoa no anjaran’ny ekipa tsirairay. Efa nanomboka ny volana janoary teo ny fampivondronana ny ekipa izay miisa 45 avy amin’ny ligy isan-karazany manerana ny Nosy”, hoy ny avy ao amin’ny Staff Technique an’ny Rugby Malagasy.

Manana ho avy tsara ny rugby Malagasy ary tena hita ho mivoatra izy io amin’izao fotoana izao. Ireo mpilalao ihany koa anefa tsy ambakan’izany fa efa manana traikefa. “Na dia mahay aza izahay dia mbola mila fanohanana hatrany satria ny fitaovana sy ny fanohanana ny aina ihany koa dia tena zava-dehibe raha te hampitombo ny vokatra ho amin’ny tsara hatrany. Mbola mila mampitombo ny ezaka ihany koa izahay izao raha te hahazo ny toerana ao anatin’ny “élite”. Izany rehetra izany no hanagatahana ny fanohananan’ny tsirairay”, hoy ny solonteann’ireo mpilalao.

Anisan’ny fanatanjahantena efa be mpanaraka ihany koa ny rugby eto Madagasikara kanefa mbola betsaka ihany koa ireo tsy mbola mankafy izany. Amin’izao fotoana izao dia efa miakatra tsikelikely ihany ny lentan’ny filalaon’ny Malagasy ary efa mahay izy ireo. Tsy ratsy ny lalao baolina lavalava ka tokony huitovy amin’ny fankasitrahana sy ny fanohanana ireo mpilalao amin’ny sehatra hafa ihany no hatao amin’ity taranja iray hafa ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire