ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy telo nandeha nivarotra akanjo no niara nanjavona

Tsy hita nanomboka ny 24 febroary teo i Marina Perez Rios, 48 taona ; ny rahavaviny Maritza Trinidad Perez Rios, 47 taona ary ny naman’izy ireo Dora Alicia Cervantes Saenz, 53 taona. Raha ny fanazavana dia handeha hivarotra ankajo tao Montemorelos, faritanin’i Mexique no nialan’ireo vehivavy ireo tao amin’ny trano fonenany tao Texas.

Nanomboka teo dia tsy hita intsony izy telo vavy ireo. Andro vitsivitsy taorian’izany vao nampandre ny manam-pahefana teo amin’ny sisintany manasaraka an’i Texas sy Mexique ny vadin’iray tamin’izy telo vavy ireo. Tsy fantatra mazava hatreto raha nanitsaka ny faritanin’i Mexique tokoa izy telo vavy ireo hoy ny polisy, Roel Bermea. Manoloana ny tranga dia nanokatra fanadihadiana ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire