Mila foanana eto amintsika ny fangalarana ny fananan’ny hafa.
Samy mandeha eny an-dalana eny kanefa tsy tapitapitr’eo, misy mangarona ny paosy, indraindray tsy re mihitsy ka dia veloma mampamangy ny vola na finday. Marina fa anaty fotoana vitsy na minitra vitsy, efa mahazo vola miotra ny tokony ho azon’ireo mpikarama isan’andro ny mpangarom-paosy. Tsy te hisasatra fa faly handrobaka ny nisasaran’ny hafa fotsiny. Aza atao tratranay anie e hoy ny mpitandro filaminana izay sady mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Toy ity tranga teny Isotry omaly alarobia 10 martsa lasa teo, mpangarom-paosy iray indray no tratran’ny polisy. Niorakoraka mafy ity vazaha vehivavy iray raha nahita ny fihetsik’ilay mpangarom-paosy hafahafa kanefa sady efa lasan’ilay mpangalatra ihany ny findainy izay avo lenta. Tsy niandry ela ny polisy naheno izany fa nanenjika avy hatrany ity farany. Mody tsy taitra anefa ilay mpangalatra satria polisy vavy no nanenjika azy, ary mieritreritra fa tsy afaka ho aiza akory ilay polisy vavy. Tsy izay anefa no niseho fa tsy namelan’ilay polisy raha tsy azo ilay mpangarom-paosy ary mbola tratra soa aman-tsara teny aminy ny findain’ilay vazaha avy nangalarina. Mody mitondra tena toy ny olon-tsotra mandeha eny an-dalana eny ireto mpangalatra ireto mba hanafenany sy hahamora ny asany. Aoka samy ho mailo avokoa ny rehetra manoloana izany, na dia efa miezaka miaro antsika aza ireo mpitandro filaminana. Misy amintsika ireo efa mahalala tsara ny olona mpangarom-paosy eny amin’ny manodidina eny fa tsy sahy miteny, tsy hay na tsy te hiditra lalina na fahatahorana. Isika indrindra anefa no tokony hiara-hiasa voalohany amin’ireo mpitandro filaminana amin’ny fandringanana ny ratsy manota eto amin’ity firenentsika ity.
Nicole Rafalimananjara
