Fianarana any ivelany: Hamoraina ny fahazoana visa hianatra any France
Dépêche 13 mars, 11h, Nisy ny fihaonana teo anivon’ny Minisitry ny Fampianarana ambony izay niarahany tamin’ny Talen’ny Fampianarana ambony sy ny Talen’ny Fikarohana siantifika teo amin’ny Masoivohon’ny France. Nivoitra nandritra ny hanamorana ny visa ho an’ireo mpianatra any France ary eo ihany koa ny fifampizarana izay hatao eo anivon’ireo mpampianatra. Hevitra maro hafa koa no nodinihina nandritra ity fitsidihana ity, indrindra ny tetikasa mifandraika amin’ny fahafahan’ny mpianatra miasa ary koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny oniversite sy ny foibem-pikarohana nasionaly. Hivoaka tsy ho ela araka izany ny vahaolana amin’ny olana isan-karazany izay misy eo amin’ny mpianatra any France.
