France : Voaheloka higadra herintaona ilay lehilahy nahabevohoka ny zanaky ny mpiara-miasa taminy
Tamin’ny taona 2016 tao Pornic, Loire-Atlantique no niseho ity tranga ity. Nandritra ny fifindran-tranon’ny mpiara-miasa taminy no nihaona ity lehilahy iray sy ny zanak’io mpiara-miasa azy io izay vao 14 taona monja tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga. Nomen’io lehilahy io finday ilay tovovavy taorian’izany ary nanomboka nifanerasera tamin’ny alalan’ny hafatra miafina izy ireo.
Taorian’izany indray dia nandalo matetika tany amin’io mpiara-miasan’ny rainy io ilay tovovavy. Rehefa avy nisotrosotro izy ireo indray alin’ny volana septambra 2016 dia nanaiky niray tamin’io lehilahy io ilay tovovavy 14 taona. Tsy indray mandeha monja nefa izany ary noraiketin’ilay lehilahy horonantsary. Taty aoriana kosa dia nitoe-jaza ilay tovovavy.
Manoloana izany dia nitory ny ray aman-drenin’ny tovovavy. Notsaraina ny 7 martsa teo tao amin’ny fitsarana ambony tao Rennes kosa ilay lehilahy ary voaheloka higadra 1 taona miampy asa an-terivozona. Fantatra ihany koa taorian’ny tranga fa nisy mpiara mianatra an’io tovovavy 14 taona io niray tamin’io lehilahy io ihany koa.
