ActualitésTsidika

Asa fisolokiana : Manao asa ratsy hatramin’ny vahiny.

Tsy ny malagasy irery ihany ankehitriny no misy manao asa ratsy fa hatramin’ny vahiny tonga eto Madagasikara koa aza. Mampametra-panontaniana ny maro ankehitriny izany fomba hataon’ny vahiny izany. Mety ho anton’izany ihany koa ve ny tsy fananana vola any amin’izy ireo sa te hanararaotra ny Malagasy fotsiny tsotra izao ? Maro amin’ny vahiny tonga eto Madagasikara ihany anefa no mba mahalala tanana sy tia ny firenena ka manampy sy manolo-tanana rehefa misy ny ilaina izany. Tsy vitsy ihany koa ireo manana foto-pisiananan hamotika ny Malagasy fotsiny. Anisan’izany ireto sinoa telo lahy nisandoka ho tompon’andraikitra tamin’ny orinasa iray manana foibe any Chine ireto. Fisolokiana efa avo lenta no nataon’izay ireto. Tsy vitan’izany fa mbola mampijaly ny mpiasa Malagasy tao amin’ny orinasa ihany koa izy. Tamin’ny alalan’ny karatra sandoka no nanatanterahan’ireto ny asa ratsiny. Soa ihany fa tra-tehaky ny mpitandron’ny filaminana izy ireto, raha tsy izany hinoana ny mety fahapotehana lehibe tamin’ny mpiasa tao anatin’ilay orinasa. Mila hentitra isika manoloana izao tranga izao, satria zary lasa fanaovan’ny vahiny asa maloto fotsiny ny eto amin’ny firenena raha toy izao hatrany. Vahaolana ny hanaraha-maso sy hanadihadihana tsara ireo vahiny tonga eto amitsika mba hisorohana ny trangan-javatra tahaka izao.


Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire