Comores : Nihitsana tamin’ny Arab Club Champions Cup 2023 ny Volcan Club
Raraka tamin’ny fiodinana voalohan’ny Arab Club Champions Cup 2023 ny klioba Volcan Club avy ao Moroni. Resin’ny tompondakan’i Djibouti AS Arta Solar7 tamin’ny tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo nandritra ny lalao notontosaina teo Djeddah.
Raha tsiahivina dia mitondra ny anarana hoe « King Salman Club Cup » ity andiany ity. Klioba 37 avy amin’ny firenena 22 mpikamban’ny UAFA no mandray anjara amin’izany. Ny 13 martsa izao kosa vao mitohy indray ny fifaninana.
