ActualitésTatitra

Afghanistan : Voahosihosy ny zon’ireo vehivavy mpianatra

Hatramin’ny nahatongavan’ny « Taliban » teo amin’ny fitondrana tao Afghanistan ny volana aogositra 2021 dia anisy zo nitsakitsahan’izy ireo hoan’ny vehivavy ny fandraràna azy ireo hianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Nohelohina firenena maro hatramin’ireo firenena silamo nefa izany fanampahan-kevitra izany.

Nilaza ny tovovavy avy ao an-toerana iray, 22 taona fa malahelo ny tenany mahita ireo tovolahy mamomnjy toeram-pianarana raha tsy mijanona ao an-trano kosa ny tenany. Fanavakavahana tanteraka ny vehivavy izany hoy izy ary na ny finoana silamo aza dia mamela ny vehivavy hianatra malalaka sy ho anisan’ny fiarahamonina.

Raha tsiahivina dia efa ny faran’ny taona 2022 teo no nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambony tao Afghanistan ny fandrarana ny vehivavy namonjy ny toeram-pianarana noho ny tsy fanajana ny fomba fitafy napetraka sy ny fanaovana saron-doha.

Laisser un commentaire