ActualitésTatitra

Mayotte : Nanomboka ny fanamboarana ny lapan’ny tanàna vaovao ao Sada

Nanomboka ny herinandro lasa teo ny asa fanamboara ny lapan’ny tanàna vaovao ao Sada. Mitentina 11 tapitrisa euros eo izay ny tetibola hanatontosana io tetik’asa io ary haharitra 24 volana ny fanamboarana raha ny fanazavana. Ny orinasa spécialisé dans l’architecture bioclimatique manam-pahaizana manokana momba ny maritrano « bioclimatique » ao Saint-Pierre ao La Réunion kosa no namolavola io tetik’asa io.

Manodidina ny 11 000 ny mponina ao Sada. Tsy nanana biraon’ny kaominina intsony nefa izy ireo hatramin’ny naharavan’ireo trano enina tao amin’ny lapan’ny tanàna teo aloha tamin’ny taona 2019 noho ny fahatontana. Tanjon’io fanamboarana io noho izany ny fampivondronana indray ny mpiasan’ny lapan’ny tanana izay mitsinjara amin’ny ivo-toerana valo amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire