Drones : Voarara ny mandefa izany eny ambonin’ny faritry ny manam-pahefana
Dépêche 03 mars, 11h30, Nanambara ny Académie militaire Antsirabe fa voarara ny mandefa ireny karazana fitaovana manidina tsy misy mpanamory mitaingina (drones) ireny eny amin’ny habakabaky ny faritra misy ny miaramila, zandary ary ny polisy. Ireny toerana ireny izay ao anatin’ny toerana stratejika. Misy ny fepetra horaisina ho an’ireo izay minia mandika izany lalàna izany, izay mifototra amin’ny fitanana sy famotehana ilay fitaovana. Ny fandefasana ireny « drone » ireny ivelan’ny toerana mikatona ihany koa dia ilaina fahazoan-dalana. Ny rehetra araka izany no hiangaviana samy hanaraka izany voalaza izany avokoa.
