ActualitésTsidika

Vilihazo : Mirongatra ny halatr’omby ao an-toerana

Nisehoana trangana halatr’omby tao amin’ny fokontany Ambohidrano Atsinanana, kaominina Vilihazo, ny faran’ny herinandro teo. Omby roa no nalain’ireo mpangalatra tao am-bala ary ny taolany sisa no hita, raha ny voalaza.

« Anisan’ny zavatra tena mampahalahelo ary hanaovana fitarainana ho ren’ny tomponandraikitra mahefa ny zava-misy hiainan’ny mponina ety ambanivohitra fa tena mijaly ny mpiompy. Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny halatr’omby, tsy misy hianan’ny tantsaha sy ny mpiompy intsony » hoy i Doda, mponina ao Vilihazo. 

« Ny tena olana dia tsy mahatoky ny manampahefana intsony ny mponina amin’izao fotoana izao. Ireo zandarimariam-pirenena no tena mila ahetsika midina ifotony hanara-maso ny fandriam-pahalemana ary averina ihany koa ny fiaraha-mientana amin’ny andrimasom-pokonolona » hoy i Hery, kartie mobile.

Famoizana fananana ho an’ny mpiompy ny tranga ny tahaka izao. Ary fati-antoka goavana eo amin’ny asa fivelomany ny vokatry ny tsy fahandriam-pahalemana tahaka izao. Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tomponandraikitra araka izany izy ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire