Mananjary: Folo andro no fe-potoana hamerenana ny herinaratra amin’ny laoniny.
Dépêche 27 février, 12h30, Nilaza ny avy ao amin’ny JIRAMA fa folo andro dia hiverina amin’ny laoniny zato isan-jato ny herinaratra ao amin’ny faritry Mananjary. Ho laharam-pahamehana ny ny famerenana ny eny amin’ny hopitaly sy ny toerana hitobian’ny traboina araka ny nambaran’ny minisitry ny Angovo sy Akoran’afo. Lehibe kokoa ny takaitra tamin’ny herinaratra noho ny tamin’ny Batsiray iny ka izay no mahatonga ny fahataran’ny asa. Etsy andaniny anefa dia efa miverina amin’ny laoniny nanomboka ny 23 febroary ny famatsian-drano.
