Brésil : Mampiahiahy an’I Jair Bolsonaro ny mahakasika ny filoha teo aloha Lula da Silva.
Nanaisotra ny fiampangana kolikoly nanenjehana ny filoha teo aloha Lula da Silva, 75 taona, ny fitsarana an-tampony. Ary nilaza fa tsy mahefa ny fitsarana ao Curitiba izay nanameloka azy. Nandritran’ny fotoam-pifidianana tamin’ny taona 2018, no noesorina ny zo ara-politika nananan’i Lula, ary naiditra am-ponja nanomboka ny volana aprily 2018 ka hatramin’ny novambra 2019. Ny fanadihadiana nataon’i Maud Chirio, mpahay tantara, mpampianatra ao amin’ny Oniversite Gustave Eiffel ary manam-pahaizana manokana any Brezila no nilaza hoe “mety hisy ve ny fifaninanana eo amin’i Lula-Bolsonaro amin’ny fifidianana amin’ny taona 2022?” I Bolsonaro izay hilatsaka hofidiana ihany koa amin’io taona io.
