ActualitésTsidika

Masindray : Mila fijerena manokana ny fampiasana ny tetezana Masindray

Nitaraina sy nimenomenona ireo mponina avy ao amin’ny kaominina Masindray, tato ho ato mahakasika ny fahasimban’ny tetezana izay mampitohy ny kaominina amin’Ambohimanambola. Efa ela no nanomboka nahitana fahasimbana io tetezana io, ary tsy ampy ny fanamboarana izay nataon’ny kaominina azy, raha ny voalaza.

« Ny tena olana amin’ity resaka tetezana ity dia ny tsy fanajana ny lanja sy ny vesatra izay mandeha eo amboniny ka mahatonga azy mora simba tahaka izao foana . Tsy vao izao no efa nisy fanamboarana azy io fa efa hatramin’ny ela ary efa miezaka hatrany ny  tomponandraikitra manao ny fikojana azy saingy ny tsy fahampian’ny fanentanana no olana amin’ny fikojana azy» hoy i Hasina, mpamily.

« Olana lehibe raha simba tanteraka io tetezana io. Hitoka-monina tanteraka ny kaominina Masindray, ka izay no hanairana hatrany ny tomponandraikitra mba hanokana teti-bola ho fanamboarana azy tanteraka satria hiankinan’ny fiveloman’ny mponina io tetezana io » hoy i Bertine, mponina ao Masindray.

Ankoatra ity tetezana mampitaraina ireo mponina ity, dia anisan’ny olana sedrain’ny mponina ao an-toerana ihany koa ny faharatsian’ny lalana. Ireo rehetra ireo izay samy mila fijerena sy fanaraha-maso ary fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra avokoa.

Manitra R.

Laisser un commentaire