Avaradrano : Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny Fimpama ny sampana Avaradrano
Notanterahina tamin’ny sabotsy 18 febroary teo ny fankalazana ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny faha 60 taonan’ny Fimpama (Fikambanan’ny mpikabary Malagasy) izay notontosaina tao amin’ny lapan’ny tanàn’Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fankalazana izany koa ny sampana Avaradrano, araka ny voalaza.
« Saika hita nandritra ny fankalazana ny fanokafana ofisialy ity avokoa ireo mpikabary manerana ny kaominina ao amin’ny distrikan’Avaradrano na ny Mpiava. Hita nandritra izany ny sampana avy ao Ambohimangakely, ny avy ao Talata Volonondry, tao ihany koa ny sampana Sabotsy Namehana » hoy i Hery, mpianatra mpikabary.
« Fotoana iray tena manan-danja eo amin’ny kanto sy ny kolontsaina mahamalagasy ny fotoana tahaka izao. Ary izany dia anisan’ny manohana sy manome lanja ny kabary malagasy. Ny kabary izay mirakitra ny soatoavina sy kolontsaina Malagasy » hoy ny avy amin’ireo fikambanan’ny mpikabary.
Anisan’ny andro iray nihaonan’ireo sangany eo amin’izay tontolon’ny kabary malagasy ity fotoam-pankalazana ity. Marihina moa, fa ny sampana Mpikabary Iarivo Avaradrano dia anisan’ireo sampana zokiny ao anatin’ny fikambanan’ny mpikabary malagasy, raha ny voalaza hatrany.
Manitra R.
