Maurice: mpianatra roa hafa indray no tratran’ny Covid-19
Voamarina ny fisiana trangana CoronaVirus tao amin’ny Kôlejy Curepipe tamin’ny Alarobia 10 Martsa teo. Niampy mpianatra roa hafa indray izy androany 10 Martsa. Mpirahalahy iray tampo izy ireto ka ny iray mianatra ao amin’ny Kôlejy Saint Joseph ary ny iray kosa ao amin’ny Kôlejy Sir Abdool Raman Osman. Nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana tao Gunga izy roa lahy ny Alahady lasa teo raha ny filazan’ny rainy. Na izany aza anefa, tsy niditra an-tsekoly intsony izy ireo nanomboka ny alahady teo taorian’ny nanakatonana ny sekoly, ny oniversite ary ny toeram-panofanana hafa tany Maurice. Voamarina ihany koa fa mitondra ny tsimok’aretina ny olona iray ao amin’ny fianakaviany izay efa tratran’ny homamiadana.
