France : Tovolahy iray no nitsatok’antsy mpikambana 6 ny fianakaviany
Tovolahy iray 21 taona monja no nitsatok’antsy ny mpikambana 6 ny fianakaviany tao amin’ny trano iray tao amin’ny lalana Gabriel Deshayes ao Saint-Gildas-des-Bois, Loire-Atlantique. Ny talata teo manodidina ny 3 ora hariva no niseho ny tranga. Tsy mbola fantatra mazava kosa izany niandohan’ny fifandirana.
Taorian’ny tranga dia niafina tao amin’ny kolejin’ny kaominina io tovolahy io. Tratran’ny polisy tao an-toerana izy ary efa voasambotra noho ny famonoana olona an-tsitrapo. Olona roa kosa no tena naratra mafy vokatr’io fitsatohan’antsy io dia ny zandrin’ilay nahavanon-doza, 17 taona izay nentina tamin’ny angidim-by namonjy ny CHU tao Nantes ary ny zandriny 7 taona izany nentina tao amin’ny hopitaly tao Saint-Nazaire.
Tsy ahatahorana kosa ny hain’ireo olona efatra hafa izay lehilahy 47 sy 48 taona ny roa ary vehivavy 67 sy 70 taona ny roa hafa. Marihana fa efa nahazo fitsaboana tao amin’ny hopitaly Redon izy ireo. Inona kosa ny trangan-javatra mety nitarik’izao fitsatohan’antsy olona maro izao ?
