Ambohimanambola : Nitohy tamin’ny fanadiovana tatatra ny servisy Raoka fako
Taorian’ny firotsahana an-tsehatra nanafoana ireo toera-panariana fako tsy manara-dalàna tao amin’ny fokontany Gara, dia nitohy tamin’ny fanadiovana ireo tatatra amin’ny sisin-dalana indray ny rafitra, servisy Raoka Fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, tamin’ny faran’ny herinandro teo.
“Anisan’ny asa ataon’ny servisy raoka fako, akoatran’ny fakana fako isan-tokantrano ny manadio ny tatatra ao amin’ny fokontany misitraka ny servisy. Teto, dia ny fokontany Ambohimanambola Gara no nanaovana ny Curage” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny servisy Raoka fako.
“Raha ny fanadiovana faobe fotsiny no ianteherana amin’ny fanadiovana ny tanàna dia tsy hisy dikany mihitsy satria ny mponina maro ary tsy manaja fahadiovana no betsaka. Hisaorana mihitsy ny fisian’ity rafitra ity mba ho fanentanana sy fitaratra ho an’ny mponina” hoy I Naly, mponina ao Ambohimanambola.
Samy hahazo tombotsoa avokoa ny fokontany rehetra ao an-toerana amin’ny fametrahana ity rafitra. Ny fokontany hanaovana ny fanadiovana madio ary ireo fokontany hafa kosa mahazo ny zezika azo avy amin’ireo fako.
Manitra R.
