ActualitésTsidika

Misy fanavaozana ireo sokajy misy eo amin’ny kilasy famaranana

Mari-pahaizàna farany alain’ny mpianatra eny amin’ny fanabeazana ny bakalorea. Ny fananàna azy io no mampiditra ny ankizy ho eny amin’ny ambaratonga ambony. Miankina amin’ny sokajy nisy ny tsirairay tany am-pianarana araka izany no safidy tsy maintsy hataony. Ao ireo havànana kokoa amin’ny tontolon’ny siantifika, sokajy D sy C no nisy azy tany am-pianarana; eo ihany koa ireo tia kokoa ny fianarana ny siansa maha-olona sy ny teny aman-tsoratra, ny sokajy A no afaka miditra amin’izany. Toy izay hatrany ny zava-misy nandritran’ny taona maromaro nifandimby izay. Tsiahivina mantsy fa isan-taona no misy ny fanadinana hahafahana amin’ny bakalorea toy izany. Ankehitriny, tsapan’ny tompon’andraikitra fa misy ny fiovàna tokony  ahitsy mahakasika ny sokajy misy eo amin’ny kilasy famaranana. Hisy fanovàna araka izany ny sokajy afaka hisafidianan’ny mpianatra mba hahatonga azy ireo tsy ho diso safidy rehefa tonga ny fotoana hiatrehany ny tontolon’ny anjery manontolo. Tsy hisy intsony araka izany ny sokajy A, C, D ho an’ny bakalorea ankapobeny. Raha toa ka mijanona amin’ny izay efa sokajy nisy azy kosa ny bakalorea teknika.  Tsy hisy intsony sokajy nisy teo aloha fa hiova ho Sokajy Littéraire (L) sy Scientifique (S) ary hampiana sokajy vaovao (Organisation-Société et Economie) OSE. Izany hoe hitambatra avokoa ireo havanàna amin’ny teny aman-tsoratra, toy izany koa ny eo amin’ny siantifika. Ary ny sokajy vaovao izay natao manokana ho an’ireo tia ny sehatra ekonomika, sy ny fiaraha-monina. Marihina fa mitovy amin’ny any ivelany ity sokajy vaovao napetraky ny Minisiteran’ny fampianarana ambony ity. Tanjona handrandrain’ny rehetra ny hitomboan’ny kalitaom-pampianarana mba hialàna amin’ny fahazoana mari-pahaizana tsy lavorary amin’ny mpianatra. Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe: Ho zakan’ny sain’ny mpianatra eto Madagasikara ve ny fiovàna mety haterak’io sokajy vaovao io. Hita mantsy fa mbola andrana aloha no hatao amin’ity taona 2021 ity, ka ireo lisea fitaratra aloha no hampiharana izany fa tsy ny kilasy famarànana rehetra.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire