Ambohimangakely : Mitohy ny fizarana solom-bodiakoho ho an’ny zokiolona
Mitohy hatrany ny hetsika fizarana solom-bodiakoho ho an’ireo ray aman-dreny zokiolona, izay tarihin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Tamin’ny alatsinainy teo, ireo zokiolona avy ao amin’ny fokontany Ambohimpiainana, Soanierana, Ambodilahy, Ambohitrombihavana no nozaraina izany.
« Tsy nanadino ireo zokiolona ety anivon’ny fokontany ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy amin’izao fahatongavan’ny tonon-taona izao. Tahaka ny fanao dia nanolotra solom-bodiakoho ho an’ireo zokiolona sy nirary soa no natao nandritra izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Fisaorana hatrany moa no atolotra ho an’ireo tomponandraikitra amin’ny fahatsiarovana sy ny fanomezana tolotra tahaka izao ho an’ny zokiolona. Mahatsiaro misy mpiahy izahay amin’ny ezaka asehon’ny tomponandraikitra rehefa fotoana manan-danja tahaka izao » hoy i Jean-Chrisostome, Zokiolona.
Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina hatrany moa ny mizara sy manome lanja ny soatoavina malagasy. Raha ny voalaza, mbola hitohy amin’ny fokontany hafa izao hetsika izao.
Manitra R.
