ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Lehilahy iray maty, nitsoraka tao ambany camion

Tranga iray niseho tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy irey no nitsoraka, namono tena, tao ambany camion. Mbola teo am-perin’asa ity lehilahy ity no nitsoraka avy hatrany, raha ny voalaza.

“Tsy fantatra mazava aloha ny tena antony nahatonga ny famonoany tena, fa izy tsy nanana olana tamin’ny mpampiasa azy na teto amin’ny manodidina. Fantatra kosa anefa hoe nanana olana tamin’ny fianakaviany ka izay no tsy zakany” hoy I Fetra, mponina ao Ambohimalaza.

“Mampalahelo ny tranga tahaka izao. Tena maro ny tranga re tao ho ato mahakasika ny famonoana tena. Maro ny olana mety hitranga kanefa rehefa tena tsy zaka ilay fiainana sy ny onjany dia tsy ny famonoana tena no vahaolana. Anisan’ny mampiditra loza ho an’ny hafa ny tahaka izao, ny mpamily no anisan’ny mahazo raharaha voalohany” hoy I Dina, mpianatra ny taranja psychologie.

Taorian’ny nitrangan’izao loza izao moa, dia notanana natao fanadihadiana ny mpamilin’ity kamiao ity, tao amin’ny brigadin’ny zandarimaria ao Ambohimalaza.

 Manitra R.

Laisser un commentaire