Dépêches

Tontolo iainana : Mila manana stratejika fambolena hazo maharitra i Madagasikara

Dépêche 03 février, 11h, Na dia efa nanomboka aza ny taom-pambolena hazo ho an’ny 2023 dia miantso fomba fiady mahery vaika ny avy ao amin’ny WWF mahaksika ity fambolen-kazo ity. Tsara raha fambolena mahomby sy maharitra no hatao sy hampiharina ary hampiroboroboana ny fanaraha-maso ireo voly izay efa ,natao hatramin’izay. Raha tombanana ny fambolen-kazo ny taona 2022 dia ny 68% amin’ireo zana-kazo nambolena sy naraha-maso no efa maniry tsara amin’izao fotoana izao. Tokony tohizana noho izany izay ezaka izay ka hampiakarina hatrany io antontan’isa io.

Laisser un commentaire