ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fotoam-bavaka niraisam-pinoana noho ny fahatratrarana ny taom-baovao

Notanterahina tamin’ny alatsinainy teo ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao sy ny taom-pikatrohana 2023 ho an’ny kaominina Alasora. Nanontrona izany ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga avy amin’ny distrika, ny kaominina, ny fokotany ary ireo rafitra misy ao an-toerana.

« Anisan’ny efa fanaon’ny eto amin’ny kaominina ny manokana fotoana ho an’ny fotoam-bavaka rehefa voalohan’ny herinandro ka rariny raha nasiana izao voalohan’ny taona izao ho fanomanana ny fikatrohana ho amin’ity taona ity » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Fotoana mampiray ary hiraisan’ny fo sy ny saina ary ny fanahy hitondrana am-bavaka ny asa sy ny fiainan’ny mponina ny fotoana tahaka izao, izay tena manan-danja tokoa » hoy i Lova, mponina ao Alasora.

Nitarika izany fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao an-toerana izany moa ny FFKM Alasora. Saika hita nanatrika izany fotoana izany ihany koa ireo solo-tenam-pikambanana, mpianatra ary olon-tsotra mponina ao Alasora.

Manitra R

Laisser un commentaire