Dépêches

Sosialy : Tanora 110 manaraka fiofanana mahakasika ny « ethanol »

Dépêche 02 février, 13h, Tanora any amin’ny tontolo ambany vohitra miisa 110 no toloran’ny Pro Agro Youth fiofanana mahakasika ny « ethanol ». Fiaraha-miasa amin’ny OIT ity hahafahana manome asa ireo tanora sy mampiroborobo ireo tanora ireo. Hita ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana ity tetik’asa ity ary haharitra telo volana ny fiofanana. Ny tanjona amin’izany dia mba hahafahan’ireo tanora miotra amin’ny fiainana ka afaka hanangana ny asa fvelomana tiany sy mety aminy. Anjaran’ny SEFAFI no miantoka ny fanaraha-maso aorian’ny fiofanana.

Laisser un commentaire