France : Hitsidika ny filoha frantsay ny praiminisitr’i Israël
Ho avy ao Paris ny praiminisitr’Israël, Benjamin Netanyahu ny 2 febroary izao hifampidinika amin’ny filohan’i France. Marihina fa fitsidihana voalohany ataon’io tompon’andraikitra io ao France hatramin’ny niandohan’ny fe-potoam-pitondrana vaovaon’i Emmanuel Macron io hotontosaina ny alakamisy izao io.
Hijanona ao France hatramin’ny 4 febroary i Benjamin Netanyahu. Anisan’ny teboka hivohitra mandritra ny fandehanan’io tompon’andraikitra io an-toerana kosa ny trangan’herisetra eo amin’i Israël sy Palestine. Raha tsiahivina mantsy dia nisehoana fanafihana goavana, tsy nisy tao anatin’ny maro tao Cisjordanie, narahana fitifirana « roquette » avy tao Gaza nakao Israël sy fidarohana baomba an’habakabaka nataon’i Israël izany. Ny zoma teo dia teratanin’i Palestine iray no namono olona 7 tao Jérusalem atsinanana ary ny sabotsy hatramin’ny alatsinainy teo dia mpiambina tao Cisjordanie maro sy manam-pahefan’i Palestine tao Hébron no maty.
