Seychelles : Hankalaza ny taom-baovao « chinois » ny nosy
Hankalazaina ny 22 janoary izao ny taom-baovao « chinois ». Manoloana ny fiaraha-miasan’io firenena io amin’ny Seychelles dia hisy fankalazana ihany koa ao an-toerana izay homarihana amin’ny tsenabe ara-barotra.
Hotontosaina eo alohan’ny tranom-bakoky ny tantaran’i Seychelles ao Victoria io tsenabe io. Vokatra mampiavaka sy nentim-paharazan’i Chine maro no hita mandritra izany toy ny « vases de porcelaine, lettres calligraphiées, éventails… » ary fitaovan-dazokia sy sakafo.
Efa nosokafan’ny ambasadoran’i Chine ao Comores Guo Wei kosa io hetsika io. Marihana fa hiazo ny fireneny ny tenany mandritra io fankalazana ny taom-baovao « chinois » na « année du lapin » io.
