Toetr’andro : Nahazo filazana fanairana ny faritra Diana, Sava, Analanjirofo sy Atsinanana noho ny andro ratsy
Dépêche 17 janvier, 12h, Tafiditra tanteraka anaty vanim-potoan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka ilaina hatrany ny manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro isan’andro izay miovaova matetika. Omaly tamin’ny 12ora atoandro fia mbola tsy nisy fivoarana goavana ireo tangoron-drahonaa roa. 30 hatramin’ny 40 Km/Ora ny rivotra miaraka amin’izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia nikisaka niakandrefana ireo tangoron-drahona ireo tato anatin’ny 24 ora farany. Mbola misedra olana avokoa anefa ireo tangoron-drahona ireo vokatry ny hamandoana tsy dia ampy sy ny hamafin’ny rivotra any ambony tsy taka-maso. Hampiharana ny fepetra mikasika ny filazana miloko maitso na fanairana: Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana.
