Ambohimangakely: Mirongatra ny vaky trano sy ny fanendahana an-dalam-be
Maro ireo olona mitarina mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ny manodidina. Mirongatra ny vaky sy ny fanendahana an-dalam-be amin’izao fotoana izao, araka ny voalaza, ka hanaovan’ireo mponina antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
“Ny tena olana amin’ity tsy fandriam-pahalemana ity, raha misy tranga fanendahana eo dia tena mijery fotsiny no ataon’ireo manodidina, efa entin’ny tahotra ny olona ka tsy sahy mifanavotra intsony” hoy I Ndriana, mponina ao Ambohimangakely.
“Tena efa enjana ilay tsy fandriam-pahalemana ety an-toerana, tena mila fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitandro filaminana mba hanatanteraka fisafoana fa mihatra aman’aina ny tsy fandriam-pahalemana na aiza na aiza no misy anao amin’izao” hoy I Bodo, tompona tsenam-barotra iray.
Taratry ny fahasahiran’ny mponina amin’izao fotoana izao ny firongatry ny fanendahana sy ny vaky trano, izay niseho sesy lany, indrindra tato ho ato. Ilaina fanentanana isam-pokontany izao mba hamerenana indray ny andrimasom-pokonolona, izay anisan’ny nampirindra ny fiaraha-monina tany aloha tany.
Manitra Ramanantsoa
