Tetik’asa FAFY : Faritra miisa 13 no hisitraka izany tetik’asa ara-pahasalamana izany
Dépêche 13 janvier, 14h, Ny taona 2018 no natomboka teto Madagasikara ny tetik’asa Fafy ary faritra miisa 9 no niasany hatramin’izay. Nitombo efatra izany ankehitriny ka dia ny faritra Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Androy ary Anosy. Tetik’asan’ny Goverenemanta Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena ny tetik’asa FAFY izay hita eny anivon’ny CSB II ka maimaim-poana ny fandraisana sy fitsaboana ny zaza latsaky ny 5 taona, ny vehivavy bevohoka sy ny miteraka ary ny reny tera-bao hatramin’ny enina herinandro eny anivon’ireo tobim-pahasalamana hiasan’ny tetik’asa FAFY.
