Sosialy : Nahazo tohana avy amin’ny Fonds Mondial i Madagasikara
Dépêche 13 janvier, 13h30, Anisan’ny firenena voasafidy hahazo ny fanampiana avy amin’ny Fonds Mondial i Madagasikara ; Izany dia tolotra ara-bola ho entina miady amin’ny aretina VIH, tazomoka ary ny raboka. Mitentina 125 tapitrisa USD izany vola fanampiana izany izay ho ampiasaina amin’ny 2024 sy 2025. Mifototra amin’ny alalan’ny fahaizana mitantana sy ny fahafantarana ny laharam-pahamehana amin’ireo aretina nambara ireo ny fisafidianana ireo firenena izay nahazo ny famatsiam-bola.
