ActualitésTsidika

Vilihazo : Nozaraina zezika sy masomboly ireo tantsaha ao an-toerana

Nisy ny fizarana zezika sy masomboly vary ho an’ireo tantsaha ao anatin’ny kaominina Vilihazo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny alalan’ny tetik’asa Purpa, izay eo ambany fiahian’ny ministera misahana ny fambolena sy n fiompiana izany, araka ny voalaza.

« Isaorana hatrany ny fitondram-pankana amin’ny ezaka izay ataon’izy ireo amin’ny fanohanana ny tantsaha ety ifotony ka nanolorany indray ny zezika sy masomboly izao. Anisan’ny ezaka atao ihany koa amin’izao fotoana izao ny hanatratra ny tanjona ny ny hampitombo bebe kokoa ny vokatra azo » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ny tantsaha tokoa ny ezaka tahaka izao satria ny fiainana ihany koa efa iaraha-mahalala na ny fahasarotany eo amin’ny vidin’ny zezika sy ny tahaka izany ka dia raisina ho fanampiana sy fanohanana ny tahaka izao » hoy i Tovo, mpamboly.

Anisan’ny mila atao vaindohan-draharaha ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fambolena. Tokony hifanindran-dalana amin’izany ihany koa anefa ny fanatsara ny lalana sy ny lafin’ny fandriam-pahalemana izay lesoka mamono ny tantsaha.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire