Etats-Unis : Nahitana fidinana ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina coronavirus.
Latsaky ny 40 000 ireo olona voalaza fa mitondra ny tsimonkaretina covid-19 ao Etats-Unis amin’izao fotoana izao. Antontanisa izay voaangona tao anatin’ny 24 ora hoy ny oniversiten’i Johns Hopkins ny alakamisy 04 martsa. Io antontanisa io no sokajiana ho ambany indrindra azo tao Etats-Unis tao anatin’ny 5 volana izao hoy izy ireo. Tranga voalohany indrindra niseho tao an-toerana tao anatin’izay fe-potoana izay. Raha nanodidina 300 000 tanatin’ny 24 ora ny isan’ireo olona nitondra tsy tsimonkaretina covid-19 ny 8 janoary lasa teo, niverina ho toy ny tamin’ny vanim-potoam-pety toy ny tamin’ny fetin’ny Halloween, ny Thanksgiving sy ny fetin’ny faran’ny taona ny antontanisa voaangona. Tamin’ireo fotoana ireo anefa, betsaka ireo olona nifamezivezy nivoaka sy niditra ny firenena. Isan’ny maha velombolo ireo mponina ao Etats-Unis ihany koa ny fihenan’ny tahan’ireo olona mihiditra hopitaly sy ireo maty. Mbola mitohy hatrany anefa ny fanaovana vaksiny ireo olona tsy mbola nahazo izany sy ny fampiarana ireo fihetsika rehetra entina miady amin’ny vipariahan’ny valanretina coronavirus any an-toerana.
