ActualitésTatitra

La Réunion : « Kaza Lova », « télé realité » voalohany ao amin’ny nosy

Miha tian’ny mponin’i La Réunion ny « télé realité » toy ny « Les Marseillais sy ny  « La Villa des Coeurs Brisés ». Afaka roa volana dia ho alefa amin’ny fahitalavitra ao an-toerana ny « télé realité » voalohany hovokarin’ny nosy, atao hoe « Kaza Lova ».

Olona 6 no nandray anjara tamin’ny fanodinana izany, vehivavy 3 ary lehilahy 3. Manatontosa hetsika sy sedra maro izy ireo, ary amin’ny faran’ny fandaharana dia olona roa, lahy sy vavy, ihany no mivoaka mpandresy. Olona mihoatran’ny 21 taona kosa no afaka mandray anjara amin’io « télé realité » io. Efa manomboka ny fisoratana anarana, izay hifarana ny 8 janoary 2023.

Laisser un commentaire