Brésil : Voarohirohy amin’ny tsy fanajana ny tontolo iainana ny orinasa Casino.
ONG miisa folo no nitory an’i Casino, orinasa mpaninjara lehibe manoloana ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ataon’io orinasa io. Hita taratra izany amin’ireo mpiara-miasa aminy ao Bresil sy ao Colombie. Volazan’ireo ONG ireo tao anatina fanambarana an-tsoratra nataon’izy ireo fa nandray anjara betsaka tamin’ny famongorana ny ankamaroan’ireo ala ao Amazonie ihany koa ny orinasa Casino. Fivarotana hena omby amin’ny orinasa Pao de Acucar ao Brésil sy i Exito ao Colombie, vokarina sy amidy ao amin’ny alan’i Amazonie no tena hanamelohana an’i Casino. Miaro ny zava-boaary sy ny zava-manan’aina rehetra ao amin’ny faritr’i Amazonie avokoa ireo ONG 10 ireo. Efa nisy ny fampielezan-kevitra navoakan’i Envol Vert, isan’ireo ONG voalaza ireo momba ny fandraisan’anjaran’i Casino amin’ny famongorana ireo ala any an-toerana. Anisan’ny angatah’ireto ONG ireto arak’izany ny hiakaran’ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ahafahana miaro hatrany ny ala sy ny zava-manan’aina rehetra ao Amazonie.
