Royaume-Uni : Vehivavy iray maty voatifitry ny basy teo am-pandihizana
Nisehoana fifampitifirana tao amin’ny toeram-pisotroana Lighthouse, tao Wallasey, Liverpool. Mbola ampandihizana sy ampialam-boly avokoa ireo mpanjifa no raikitra ny fifampitifirana tao an-toerana. Olona 5 no naratra nandritra izany. Anisany i Elle Edwards, vehivavy 26 taona izay voatifitra teo amin’ny lohany.
Nentina teny amin’ny hopitaly io vehivavy io taorian’ny tranga saingy namoy ny ainy. Olona roa kosa no voarohirohy tamin’io fifampitifirana io, lehilahy 30 taona sy tovovavy 19 taona. Raha ny petrakevitra dia raharaha fifaninanana eo amin’ny « gang » no nitarika izany. Tsy voakasik’io fifandirana io kosa i Elle Edwards ary bala very no nahakasika azy.
Nifanesisesy ny tranga fifampitifirana tao Liverpool tao anatin’ny volana maromaro, zazavavy kely 9 taona no namoy ny ainy noho izany ny volana aogositra teo. Vehivavy iray antsoina hoe Ashley Dale, 28 taona sy Sam Rimmer, 22 taona ihany koa no sedran’izany.
