ActualitésTsidika

Fizahantany : 120 000 no isan’ireo mpizaha tany novinavinaina ho tonga teto Madagasikara ny taona 2022

Novinavinaina ho 120 000 ny isan’ireo mpizahatany handalo eto Madagsikara tamin’ity taona 2022 ity. Ny volana novambra teo no natao ny fanambarana izay nanome ny tarehimarika ho 106 000. Raha ny tanjona izay napetraka dia mbola manana fanantenana ny Ministera fa ho tratra io tanjona hoe 120 000 mpizahatany io.

« Ny volana oktobra teo no tena nahatrarana isa betsaka indrindra izay tonga hatramin’ny 21 000 ny mpizaha tany. Efa hifarana izao ny taona ary manana fanantenana fa ho tonga amin’izany isa izany. Ambara eo ihany moa ny bilan rehetra rehefa vita izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.

« Izany isa izany dia ilaina navoaka mba ahafahana manombana ireo asa miandry raha te hahazo mpizahatany vaovao sy maro ny amin’ny taona ho avy io. Hahafahana mampiseho ihany koa fa efa ezahina hampiroboroboana ity sehatra ity izay nitondra faisana mafy tamin’ny fiantraikan’ny covid-19 », hoy hatrany ny fanazavana.

« Raha 120 000 olona no tanjona dia mbola mila 14 000 olona eo ho eo tamin’ity volana desambra ity. Mino anefa aho fa tsy dia alavitra loatra tamin’izay no tonga kanefa tsy tratra ihany tanjona raha izay. Vahaolana afaka haroso izao ny fanovana ny tolotra izay omena ireo mpizaha tany ireo mba hahasarika sy hahatamana azy ireo hatrany », hoy i Emmanuel, mpitari-dia iray.

Tanjona lehibe ny an’ny Ministera ny hampitombo ny isan’ny mpizahatany tonga aty Madagasikara. Anjatrany sy ireo mpisehatra no manao ezaka hampitomboana izany amin’ny alalan’ny famoronana tolotra vaovao izay efa natomboka ihany. Zava-dehibe ny fiara-miasa amin’ny vondron’olona ifotony, ahafahana mahazo hevitra vaovao mahakasika ny toerana iray.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire